Lorem Ipsum is simply dummy text ofhe printing Ipsum has been the printing Ipsum has been the
_ 08.10.2023

News Election 2023

Antsirabe : Tsy manao fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà laharana fahatelo ny sampandraharaham-paritra misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono ao Antsenakely

Nilaza ny vaovaon’ny Kolo TV tamin’ny 11 Oktobra 2023 fa navadika ho foiben’ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Nirina Rajoelina, ny Sampandraharaham-paritra misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono (Service régional des soldes et des pensions) eo Antsenakely izay rantsana iray ao anatin’ny Ministera ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Mifanohitra amin’ny lalàna mifehy […]

Nilaza ny vaovaon’ny Kolo TV tamin’ny 11 Oktobra 2023 fa navadika ho foiben’ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Nirina Rajoelina, ny Sampandraharaham-paritra misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono (Service régional des soldes et des pensions) eo Antsenakely izay rantsana iray ao anatin’ny Ministera ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra anefa izany satria dia tsy misy kandidà tokony hahazo hampiasa ny fitaovana na fananam-panjakana velively.

Nidina ifotony nanadihady ny ekipan’ny vaovao check. Ary voamarina  fa tsy manao fampielezan-kevitra ny Sampandraharaham-paritra misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono (Service régional des soldes et des pensions).

Indro ilay vaovao Kolo TV nandeha tamin’ny 11 oktobra 2023. Eo amin’ny minitra faha 32:47  ilay fanadihadiana dia manazava fa trano nofain’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola ao Vakinankaratra no navadika ho lasa foiben’ny kandidà laharana fahatelo. Nanambara  hatrany ny fanadihadiana fa nesorina ilay takelaka ahafantarana fa tranon’ny Service régional des soldes et des pensions Antsenakely ity ary novaina ho lasa toeram-pitobiana (Quartier Général).

Nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono fa tsy fananam-panjakana ny Villa Maurice ao Antsenakely Antsirabe fa mpandraharaha karana no tompony. Noho izany, dia mpanofa avokoa izay rehetra mampiasa ny trano, tafiditra ao anatin’izany ny Services des soldes et des pensions sy ny banky iray ary ny foibe misy ny kandidà laharana fahatelo. Raha ny fanazavany hatrany, dia ny rihana ambany ary ny ampahan’ny rihana voalohany no ampiasain’ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono ary ny ampahan’ny rihana ambany sy ambony no ampiasain’ny First Banque, ny rihana faharoa kosa no nampiasain’ny kandidà laharana fahatelo ho toeram-pitobiana (QG).

Nanatona ny mpiandraikitra ny foiben’ny kandidà laharana fahatelo ny vaovao check.

Nanamafy ny teo anivon’ny foibe izay miandraikitra ny distrikan’ Antsirabe voalohany fa nanofa trano tao amin’ny Villa Maurice izy ireo ary tsy nisy nifandraisany tamin’ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono izany. Nafindra toerana eny Ambohimiandrosoa avy hatrany moa io toeram-pitobian’ny kandidà laharana fahatelo nahabe resaka io taorian’ity vaovao ity.

Tsy nisy fihatoana kosa ny asa teo anivon’ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

FEHINY:

– Tena nanana toeram-pitobiana (QG) tao Antsenakely tokoa ny kandidà laharana fahatelo fa nifindra toerana hafa vao nivoaka ity vaovao ity.

– Mpanofa trano ao ihany koa  ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono izay rantsana iray ao anatin’ny Ministera ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola aty amin’ny faritra Vakinankaratra tahaka ireo mpanofa trano hafa.

-Tsy misy ifandraisany ny toeram-pitobian’ny (QG) kandidà laharana fahatelo sy ny Sampandraharaham-paritra miandraikitra ny karama sy ny fisotroan-dronono.

SUR LES MÊMES THÈMES